You are here: home > Vetso

Hay ve ka... - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Kay tsy voatery marina,
Ho tia izay rehetra tiana.
Fa mety mankahala,
Hay, izaho ve nahalala.
.
Kay koa izay rehetra tiana,
Tsy voatery ho lasa vady
Miantsampitsampy foana mantsy ny fitiavana.
Ka indraindray mamarina an-kady.
.
Kay koa rehefa mangataka,
Tsy voatery tsy maintsy omena.
Nefa tsy mahazo manery,
Satria izany no fahendrena.
.
Soa fa haiko izany,
Mba tsy hampitroatra ity foko,
Sy hanefy ahy tsy hitomany,
Mba tsy ho sakaizan'alahelo.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha