Hitaky fahafahana (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny kely no ankelezina,
Ny efa be no atavezina!
Dia hisy sandry hahinjiny sy hakariny,
Hanafoana ny tsy rariny!
_______________________
Raha ny efa tomady no henoina,
Sady mbola hotsaboina ka ny marary hovonoina!
Dia hisy korotana mafàna,
Hitaky fahafahana ho an`ny tanàna!
_______________________
Raha ny manana no ampiana,
Fa ny ory dia ariana!
Dia tsy hisy fitoniana ho an'ny tany,
Raha tsy hita izany hitsiny handresy ny tomany!
______________________
Raha ny potiky ny mpanana hosoloina,
Ka ny fananan'ny mahantra hobodoina!
Dia hitsangana ny maty hiaro ny fananany,
Hitaky fahafahana ho an'ny taranany!
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
855 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145