Ilay mody tsy maheno (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza ilay manoratra tsy miato!
Iza ilay miantso hoe lamako!
Iza ilay miteny hoe triato!
Ary iza ilay miteny hoe tiako!
.
Moa ve misy liana ka mamaky izany!
Moa koa misy sakorok’olona mandre ny antsony!
Moa ve misy mihaino ny antsan’ny tomany!
Ary henon’ilay tiany ve ny hetahetam-pony!
.
Iza ary ilay mpamaky izay mba liana!
Iza koa ireo marobe maheno ka mamerina!
Iza avy ireo mifoko mangina!
Ary iza ilay tiana mody marenina!
.
Ianao no mpamaky izay mpitsara!
Isika no mpihaino mamerina avereno!
Ianareo no voarahona sy voarara!
Fa i.... kosa ilay tiana mody tsy maheno!
ⓒ RAVONJISON ANDRIANITSIAHY Herizo, 16 Jona 2017
--------
Rohy:
595 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104