You are here: home > Vetso

Mamy aky ny tsikitsikin-dry - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Mamy koa raha mamy,
Ny tsikitsikin-dry.
Tsy mba maro ny mitovy,
Tena hafa mihitsy ery.

Fa raha tonga aky ny alina,
Ny volana no andrasana.
Eny mantsy aho no hijery,
Ilay tsikitsikin-dry.

Vatra ery ny mitondra mody,
Ao anaty saiko ao.
Ary hivimbina azy hatory,
Hanofisana anao.

Mamy aky raha mamy,
Ny tsikitsikin-dry.
Tsy mba maro ny mitovy,
Tena hafa mihitsy ery.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha