You are here: home > Vetso

Matahotra omby - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Nataoko ihany ny tsy hiteny,
Saingy efa tsy mety intsony ny
ataon'ny fitondrana.
Ny fanindrina ny ambany,
Sy ny fanaparam-pahefana!
.
Izay tsy amin'ny olona irery
intsony,
Fa efa miatraika koa amin'ny biby
fiompy.
Mampanontany tena mihitsy ny
zava-mitranga,
Mety hisy hidirany amin'ny resa-
pifidianana angamba.
.
Naheno aho mantsy io maraina io,
Raha diso ny filazako dia mba
ahitsio.
Fa hoe norarana tsy avela omena
ahitra,
Intsony, ny ombivavin'ny Tiko ao
Andranomanelatra!
.
Asa hoe inona ny antony,
Sy ny hanaovana toy izany.
Matahotra ny tsy ho lany ve,
Ka ny omby no vonoina e!
.
Sao ny ombivavy be ronono
mantsy,
No ho voafidy hitondra atsy ho
atsy.
Dia aleho tonga dia sakanana,
Mba tsy hatratra fifidianana!
.
Ny omby anefa mbola tsy
nanolotra,
Vina fisandratana hatreto.
Nefa aleoko lavitra ireny no
mitondra,
Toy izay ireto mpamono olona sy
biby ireto!
.
➨➨Nosoratan'i Herizo
ANDRIANITSIAHY RAVONJISON
(Ampahany amin'ny zava-miseho
eto amin'ny tany sy ny firenena)

Hametraka hevitra

Midira aloha