You are here: home > Vetso

Mifanohitra - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON


Nitopy ny fijery,
Nidoboka ny foko,
Kanto hoy ny masoko.
.
Fa nanohitra ny saina,
Nankahala ny hatsarany,
Fitaka hoy ny fitsarany.
.
Matsiro hoy ny nofo,
Nisamboatramboatra foana,
Satria efa ngaoma.
.
Mitandrema ihany na dia izany,
Hoy ny antson'ny fanahy,
Sao ho potika tsy nahy.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha