Misy tsy azo ekena (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soa ny manana mpitarika,
Fa tsy ho diso lalana mihitsy.
Saingy ilaina fanovana,
Raha mpitarika ho amin'ny tsy izy.
.
Soa ny manana mpitondra,
Fa tsy ho baranahan'ny olona.
Fa rehefa izy no diso manapatra
fahefana loatra,
Dia tokony ho soloina.
.
Soa ny manana mpampianatra,
Fa ho feno fahalalana.
Nefa rehefa mivoana ireo anatra,
Omeny, dia tokony dakana.
.
Soa ny manana mpitaiza,
Fa ho mora ny ahalehibeazana.
Nefa rehefa manan-jera zaza,
Izany kosa tsy azo ekena.
.
Soa ny manan'olon-tiana,
Fa manana mpanohana.
Nefa raha mampitombo fahoriana,
Dia tokony hisarahana.
.
Soa ny mana-namana,
Fa misy mpampahery raha sendra
mafy ny ady,
Saingy tokony tsy hiarahana,
Rehefa mamarina any an-kady.
.
Soa ny manan-janaka,
Fa hisy handimby ny anarana.
Saingy rehefa manaiki-nono
tampoka,
Dia tsy maintsy ahifika sy alana.
.
➨➽➥Nosoratan'i Herizo
RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
661 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015