Ny lalako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lalana hombako dia ny faharatsiana,
Be fahavalo tsy maintsy asiana.
Isan'izany tsy maintsy hiadiana,
Ny hakanosana sy ny fahakiviana.
.
Nefa tsy maintsy mizotra fa izany no didy,
Tsy maintsy misotro na dia hita mangidy.
Efa nofanina ka tsy an-kiantso tody,
Satria efa voaomana ny fanafody.
.
Ny lalana hombako dia be fahavalo,
Be rafy manohitra sy mampivalo.
Efa vonona hiady aho ka tsy maintsy mandalo,
Ka izay mitranga eo tsy hataoko hampimalo.
.
Efa voasedra aho ka maintsy mandia,
Voatery koa ka roso ny dia.
Tsy misy safidy ka tsy maintsy mitia,
Ny mitam-pody ihany no hatao sanatria.
.
Ny lalana hombako dia ny fahantrana,
TanĂ na hanjakan'ny tsy fahalalana.
Be rendrarendra sy fahadalana,
Matahotra ihany aho fa tsy misy azo ialana.
.
Ataoko ampinga ny ny saina maranitra,
Hoentiko miaro ahy amin'ny tsipikan'ny rivotra.
Ataoko hirahira ny lokon'ny lanitra,
Tsy maintsy tafita aho fa mila miharitra.
.
Ny lalana hombako dia ny setrasetra.
Be vatovato sy tsilo mandratra,
Handeha amin'izany aho fa tsy afa-mihemotra.
Te hitomany aho fa tsy misy adi-varotra.
.
Tsy maintsy mizotra na hita fa hady,
Efa voasedra ka tsy maintsy mangady.
Ka na inona hidona na inona hianjady,
Manam-pinoana aho ka vonona hiady.
.
Hofikiriko mafy sy ataoko am-babena,
Ny sabatry ny hendry sy ny fanantenana.
Hihiaka mafy aho hoe : fandresena !
Raha vao tafiditry ny varavaran'ny fahasambarana.

.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY
--------
Rohy:
1047 1
Mpakafy: nirrt
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154