You are here: home > Vetso

Ny soratro - RAVONJISON HERIZO

Soratra miaina,
Soratra ho vakiana.
Soratra mahaliana.
Soratra ho kaloina,
Soratra hovetsoina!

Ny soratro no tenako,
Hofantarinao rahavako.
Ny soratry ny peniko,
No porofon'ny fitiavako.

Ny hakantony voakaly,
Izay taratry ny voahary,
Ny akon'ny masoko mamaly,
Ireo fanontaniana anaty sary!

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha