You are here: home > Vetso

Ny tontokoko - RAVONJISON HERIZO

Ny tontoloko ve no tinao fantarina,
Ny tontoloko amin'ny maha mpanoratra.
Dia ilay tontolo manafina ny marina,
Sy maniboka ny haromotana tsy hitroatra.
___________________
Ny tontoloko izay manonofy fitoviana,
Sy tontolo mikatsaka hafaliana.
Misintona tsiky hanala ny tomany,
Izany no tontoloko eto an-tany,,
___________________
Ny tontolo iraisako aminao,
Dia izao tontolo hita maso izao.
Izy izay miazona hetraketraka,
Ka mamono ny marina ho potraka.
___________________
Dia ity tonolon'ny miantso fitsarana,
Sy mihiaka hoe ampy izay.
Satria leo ny miaina anaty lainga tsara lahatra,
Te hitaky fahafahana ka hiala an-daharana,
Amin'ireo ady tsy mitsahatra,
Anaty fiainana mamaivay.

Sokajy : Tontolo iainana

Hametraka hevitra

Midira aloha