TAHOTRA (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satry hipetraka hiery,
Ilay nokasaiko halaina namana.
Haka mamy samy irery,
Ny tsiron'ny fitiavana!
.
Hikobona ao anaty,
Tsy hanambara ny ao am-po.
Hoe misy olona any ho any
Tiako hitatantana ny tanako!
.
Satry tsy hiteny amin'ny tiana,
Hanokatra ny vavako.
Hoe " tia" ka hiandry am-pitoniana,
Izay teny avaliny amiko.
.
Aleo tsy hibanjina akory,
Fa hanakatona ny masoko.
Tsy hijery ny lefona atsipiny.
Hikendry izany foko.
.
Na dia izany aza no eritreritro,
Dia tiako ho tsapany ihany.
Ny fitiavana koboniko,
Izay tsy sahiko lazaina aminy.
.
Noho ny tahotra mibahana,
Izay tsy hita tanisaina.
Ka manery ahy tsy hilaza,
Izay tiako lazaina!
.
➠➠♥❤♡❦❧ Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY ❧❦♡♥♥ Tamin'ny 14 Febroary 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
837 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105