You are here: home > Vetso

Tena diso tia - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON


Rehefa ny tiana no tsy tia izay,
Dia matetika mamaly,
Teny tsy voahevitra indraindray,
Ary mahavita mampijaly.
.
Rehefa ny tiana no tsy tia mihitsy,
Dia lasa mitsangana ho fahavalo
hiady.
Ho mpandatsa amin'ny zavatra tsy
mety.
Mety tena sahy mamela ho faty.
.
Rehefa ny tiana no tsy tia hatrany,
Dia milaza hoe "ity koa tsy
mahalala tsy tiana",
Marina, nefa ahitsy kely fotsiny,
Fa tsy hoe tsy mahalala tsy tiana ,
fa tena diso tia...
.
➨➨Nosoratan'i Herizo
ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Hametraka hevitra

Midira aloha