You are here: home > Vetso

Totom-barim-bazimba - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Mifoha maraina i Ramazoto,
Fa miomana hitoto.
Ireo akotry mana,
Fa miandry azy ao ny laona.

Niandrandra izany ny Hitsikitsika,
Nantena hisy hipitika.
Kanjo narary teo ny loha,
Fa ny Akoho no tonga aloha.

Tetsy akaiky tetsy i Fody,
Niandriandry an-dRamazoto hody.
Fa ny tsy mahazo hono re no betsaka.
Lanin'ny Akoho daholo he ny latsaka.

Nandalo teo ny Ratsinisasatra.
Nandalo saika hangalatra.
Saingy tsy afa-bela fa tsy misy fika,
Soa, fa niambina ny alika.

Anatranatra no alefa,
Tsy voatery alaina anefa.
Totom-barim-bazimba re ny fiainana,
Ka izay tsy mitoto aoka tsy hihinana.

Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha