You are here: home > Vetso

Tsy hita - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

Aza variana mitanisa ny maha ory,
Fa tsy azon'iza ialàna izany!
Raha mbola miaina eto an-tany.

Tsy nisy tsy nandalo izany hoe fahoriana,
Fa saingy nizaka nampitraka ny fanantenana!
Satria ao anatin'ny alahelo no mivoaka ny hafaliana!

Tsy maintsy misy ny tsy tanty,
Ka mety hitomany!
Izay ilay hoe fiainana aminy.

Fa ao anatin'ny mangidy,
Izay tsy sahintsika andramana.
Ao tena misy, ny tena fahasambarana!

Nosotatan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hevitra mandeha

NyFetra (24/01/2019 13:20:08)

marin zan,mankasitrak e!

Hametraka hevitra

Midira aloha