Tsy ianao no tiako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy aiko, mety tsy azoko,
Mety koa tsy tsapako.
Fa misavorovoro loatra ny ato anatiko.
Ankehitriny, mila tsy ho tantiko!
______________
Ny antony angaha!
Hadisoko tsy naha.
Nanadino vety anao ilay mamiko,
Injao'nefa, toa tsy tantiko.
______________
Ry tiako efa lao!
Azafady no ataoko aminao:
Azafady r'ise fa saika voasoloko,
Soa fa tsy to, ka tsy heloko.
______________
Ry nilazako hoe:"Tiako"!
Adinoy, fa tsy niniako.
Tsy ianao no tiako kay moa:
F'ilay talohanao no tiako kokoa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
908 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151