You are here: home > Vetso

Tsy vola na asa - Herizo ANDRIANITSIAHY RAVONJISON

TSY VOLA NA ASA
.
Raha hitady vola ihany,
No antony iainana eto an-tany!
Dia farany mahantra,
Amin'ny olona rehetra.
.
Raha hiasa foana,
No andaniana ny fotoana!
Mba hanana harena,
Hoy aho hoe tsy fahendrena.
.
Ny vola tsy atom-piainana,
Ny asa tsy atom-pisiana!
Fa raha ireo no ho tompoina,
Na ny omby aza mbola miadana.
.
Ny tany fandalovana,
Tsy natao hipetrahana!
Ka raha vola sy asa ihany no hitoerana eto,
Izay isika vao tena atao hoe andevo.
.
Nosoratan'i Herizo RAVONJISON ANDRIANITSIAHY

Hametraka hevitra

Midira aloha