NY FITIAVAKO ANAO (Rayane tsiarofitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO ANAO

Tsy zava-be, ka hodradraina
Fa avy am-po fiangolaina
Tsy harena sarobidy koa
F'avy amin-dray tsitoha

Ny fitiavako anao! tsy ilay anjaza tsy akory
F'idreo tsara tao hatrizay no kely vory
Koa atolotro ho anao, ny hany kely ato am-poko
Na hisy tohana tsy hiery; hamoraiko antsokosoko

Fitia, te mba ho tiavina
Tsy nosainiko izay fandavana
Fa tena am-po ka miredana
Izay tsy voavonon'ny orambe mirodana

Ny fitiavako anao! tsy 'lay bikanao ihany
Fa zava-poana no nisainiko izany eto an-tany
Ka tsy sangy velively, ilay fitia handrandraiko
Tsy halàlàna tsy antery, na vokarin'ity saiko

Fa fo mikatsa-java-tsoa
Ilay fo miantso mba hoantsoina
Ny fitiavako anao
Tsy hisainiko ho tanora vao

Ilay tsy miangola ety ivelany
Ilay tia tsy anolotra ny tenany
Dia ilay anti-panahy, tsy indray miserana
Ilay tiam-po, marina, tsy ho ferana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1597 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rayane tsiarofitia
Nampiditra : harifidison
Daty : 23/09/2016 13:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102