Ambanivohitray (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
,Injany takariva mangina
any ambanivohitra
Ny rivotra misoka mora,
ny eritreritra miainga
Izany hery ato anaty,toa manosika sy manohitra
Toa te hilaza zava-marina
fa tsy lainga
Izany loko malefaky ny masoanadro mody
Misarika ny saina
hamoaka ny ato anaty
Erý am-para-vodilanitra
takarina tsy tody
Ny kalokalo sy ny hira
toa velona tsy satry
Andiam-boro maro
mamonjy'zato akany
Ny lohasaha mavana,
sy ireo tanety maro
Te maha-te ody fa,
hanatrika eo ihany
Are-maimaimpoana
maha sarom-piaro
Indro lehilahy iray
milanja angady
Maizim-bava-vilany
vao hamonjy tokan-trano
Ny lohasaha nialany
dia mangadihady
Andro diavolana arahin-
drivotra malemy
Manintona ny fo
mamelombelona fanahy
Ireo mpianakavy mivory
sy mifamangivangy
Zaza aman-behivavy,
eny hatramin'ny lahy koa aza
diavolana arahina totrebika sy sangisangy.
--------
Rohy:
Sokajy : Tanàna
1774 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 30/08/2005 19:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137