You are here: home > Vetso

Babonao - Jeankely Razafimamonjy

Nambabo ahy ny fitiavanao,
ry volana mibaliaka,
Izay tena avo toa tsy takatra,
nefa dia sariaka.
Manazava ny aty tratrako,
izato jironao manjopika.
lavitra ahy anefa hianao
ka toa zary angano  ny antsika.

lavitra ahy ny endrikao;
lavitra ahy ny tsikinao.
lavitra ahy ny masonao;
lavitra  ahy ny jerinao.
lavitra ahy ny fonao;
lavitra ahy ny fitiavanao.
lavitra ahy ny vavanao;
lavitra ahy ilay bitsikao.

Mba rahoviana re? Lazao,
Vao mba hidina ianao.
Hanasitrana ny ratram-poko,
Hampisinda ity toloko.

Midina re mba ho tantanako!
Hiara-dia izaho sy ianao.
Meteza ianao ho namako,
Ary izaho masoandro ho anao.


(jb razafimamonjy 2008)

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha