You are here: home > Vetso

Ho anao - Jeankely Razafimamonjy

mbola zaza ianao fahiny,
Fony izaho nitia anao
zaza ianao tsy omena tsiny
Tsy mba nisy azo atao.

Adala angaha' zaho sa?
sendra diso fiantefa?
Toa fitia sahisahy,
Ahy ihany iny anefa.

Nitia anao aho
Taloha ,ela fahizay,
Nitia anao aho.

Ankehitriny anefa
Sendra mahatsiaro
Eritreritra no alefa.

Fahatsiarovana mitoetra
Tato anaty hatrizay,
Ho ato anaty mandrakizay.

      

Sokajy : Fahatsiarovana

Hametraka hevitra

Midira aloha