You are here: home > Vetso

Mila ny tia - Jeankely Razafimamonjy

Aloaka ho lasa teny,
Aloaka ho lasa tranga,
Aloaka ho lasa  seho.


Injany izy reko tsaika,
Injany izy reko safo,
Injany izy reko doana.


Te ho eo anilanao,
Te ho  eo  akaikinao,
Te ho eo  ambavanao.



Iriany mafy ny tianao,
Iriany mafy  ny ekenao,
Iriany mafy  ny anao.


Fitia milamina tsy maika,
Fitia milamina tsy lafo,
Fitia milamina tsy foana.



Jeankely R. (01/10/14)

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha