You are here: home > Vetso

niandry - Jeankely Razafimamonjy

Niandry irery teo aho
Niandry ilay fotoana
Izay nifanarahana
Niandry teo ihany aho
Hianao tsy tonga foana

Fa variana taiza angaha?
No tsy nanantona ahy
Izaho sasa-niandry
Fa angaha be raharaha?
Sa tsy mba sahisahy

Izaho dia efa vonona
Ny handray anao
Hianao tsy hita indray
Sa efa lasan'olona
Ilay fitiavanao.

(jb Razafimamonjy)

Sokajy : Alahelo

Hametraka hevitra

Midira aloha