Poezia malahelo (Jeankely Razafimamonjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto an-tany
aho nandeha,
Nirihariha
Nitandrozotra,
Nitady:
Hafaliana
Haravona,
hasambarana,
Fiadanana.

Ireo sarobidy
indrindra amin'
izao tontolo izao
Maro mpitady
sy mpikaroka.

Nihanika vohitra
Nandia lohasaha
Niatrika fahavalo,
Nanohy ny dia.

Niroso ihany aho
Namakivaky ny alam-
java-poan'ny tany,
Ilay sarobidy.

Nankafy sy tena,
nanararaotra, ny
fanomezana mamy
natolony,tsy nandá.

Tena nitia aho
nitia ny tany,
jamba sy tena rava
tanteraka,tena tia.

Tsy niheritreritra
ny fisarahana izay,
hoavy,ka hanjaka,
omen-drafahafatesana.

Mandom-baravarana
tsy ela fihavy
fa indro izy tonga
eto am-baravarana
mandona,mitady izay
harapaka.

(jb Razafimamonjy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
3616 0
Hevitra mandeha
hasiniony ( 05/02/2011 10:10)
Kanefa hoy izaho:
mitrakà ry ilay varahi-nofo
fahafatesaha mitraho?
Resin'ny fitia niapofo...
Fa na hanototra ny tany
hanindry koa ny ralongahy
tsy faharesena letsy izany
Fa tsangambato ho an'IALAHY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Jeankely Razafimamonjy
Nampiditra : gasyjean
Daty : 20/12/2005 19:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103