You are here: home > Vetso

Ainga-mpanahy - razafindratsima ndremahery

Azo vakiana?

AINGA-MPANAHY

Navelanao handeha
tsy narahinao tambiny
tsy norohizanao kofehy
...ka lasa
Tsy mba hevitra ampiadiana
tsy mba tetika ifandrafiana
fa  ainga-mpanahy
....ka tsy tana
fa lasa nidify  nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa
.......
fa lasa nidify  nanidina
niova ho hira nisidina
nitety ny tontolo niodidina
....dia lasa
navelany teo ny elanelana
adinony teo ny fotoana
toa tadio mandalo miserana
....ka tsy tana
any an- habakabaka,
eny andohasa
eny an-kebakeba tany
any am- paravodilanitra
......efa DILA....
OCt 2000 .  
N . Razafindratsima

Hevitra mandeha

saikynofy (17/06/2005 18:50:13)

tena tsara io kalo io, mankasitraka !

Hametraka hevitra

Midira aloha