You are here: home > Vetso

Ny OMALY MANTSY MIANGATRA - razafindratsima ndremahery

NY OMALY MANTSY MIANGATRA
TSY MBA NOLAZAINY AKORY hoe :
RAHA VAO DILA NY ANDROANY
DIA AMPIRIMINY HO TANTARA
ARY HO  VOTAHIRY TSARA
ILAY  TSY VOAVIRAVIRA
ILAY  TSY VOAKIRAKIRA
ILAY ANIO INDRAY NITSELATRA
NOFY SISA LASA HIKOPAKELATRA
  
NY OMALY  MANTSY NIANGATRA
IZY ZAY TSY MBA NANANATRA
IZAY FOMBA HIFIKIRANA  NY ANIO

IZY IHANY NO MIBAIKO HOE TADIDIO TADIDIO
SAINGY RAHA MITODIKA ANY IANAO
DIA NY ANDROANY LASA ANIO!
ARY RAHA TE HAMIKOTRA NY ANDROANY
DIA IZY EO MIANDRY IHANY
FA NY ANDROANY DIA ANDROANY
IZAY DILA AZY IZANY
NY HO AVY ALAI-MBINANY!
NY OMALY MANTSY MIANGATRA
TSY RESY TSENTO TSY RESIN'ANATRA
TSY HITSETRA  NA HITOMANY
FA IZY HITOMBO DIA HATRANY!


NY OMALY MANTSY MIANGATRA
TSY NOLAZAINY TAMIN'NY ANATRA
FA NY LASA TSY FILAMATRA

KA HO LOZAN'NY TSY NAHAY NANIRINA
KA NANOKATRA IZAY NIPIRINA
FA SATRINY AZA  HIKAROK'AZY
NA ONTSA IANAO NA HAMAZIVAZY
FA TSY NOTENENINY MIHINTSY
HOE NY TSIARO TSY HITSITSY
FA HIKIKY NY TAHIRY
INDRINDRA HO AN'IREO MIKIRY
SY MITAKY  NAHAVATRA MANONTANY
ARY NANOKATRA VILANY
SAINGY RAHA TRATRANY  EO  HISANROGOTANY
AMPISEHOANY NY HAROMONTANY
NY ANDROANY HANOGOTANY
NY HO AVY HIVAROTANY
NY OMALY IZAY TOMEFY
TSIARO , NGITAKA IHOAM-PEFY
AMPIHIVINGIVINA HANAMAMO
HAMPIKOBANA NY RANO
KA IZAY MANAIKY HAMAMONY
TSY AHITA TORY INTSONY
KA N'INONINONA HATANJAHANA
Z'INONA  IZAY NIFANARAHANA
NY MAHAMAY MAHAMAIKA...
DIA IZAY AHITANA PAIKA
HANAKIFIKA TADIDY
HANAKATONA SY HANIDY
HANAMPIRIMANA HO TANTARA
ZAY EFA VOTAHIRY TSARA!
SATRIA IZAY NO SISA NO ENTI-MIADY
TSY AHATORAVANA ... TSY AHATSIAROVANA
ILAY OMALY VOAKITIKA
MODY KELY MODY BITIKA
KANJO MAHARAKOTRA TONTOLO
MAHAVITA MANANYGOLY SY MANAN-BOBONGOLO
MAHAVITA MAMOSAVY
NY ANDROANY ,NY HO AVY
RAHA SENDRA MISY MIANGAVY!
ILAY OMALY MANTSY MIANGATRA
SADY SARO-MPIARO AMIN'NY LASANY
NY ANDRANGOLAHY NO FAMPIASANY
MAMENDROFENDRO NO LAHASANY!
...

Ndremahery RAZAFINDRATSIMA
Juin 2005

Mombamomba

Mpanoratra : razafindratsima ndremahery

Nampiditra : Razafy
Daty : 16/05/2005
Mpamangy : 2438
Mankafy : 0
Ankafizo

Tononkalo hafa

DINIKA MOMBAN'NY FINDAY
Very Ilany
Ny Eto tsy ho Any
Nandrehitra ahy ny teniko
Ainga-mpanahy

Hametraka hevitra

Midira aloha