You are here: home > Vetso

Very Ilany - razafindratsima ndremahery

Very ilany

Tsy nahita tory nivadibadika
Namihina ondana misamboadibadika
Fa very ilany, very vady
Akoho voakapoka, resy tsy miady.

Mamaky loha sola fa tantaraina
tsy zaka irery ka mba zaraina
Lasa i Rafotsy tsy tratra an-trano.
Nanara-drafy  ahita angano

Mipenimpenina aho miteny irery
Mihivingivina, tsy mahari-pery
Fa tena mazana, mangirifiry
Tsy hay lazaina, manirikiry.

Efa nanokona fa tsy nahay
Hazo lena no natao kitay
Mipatrapatraka ny ranomaso
Mangatrakatraka ny ankaso

Ny aty may ny vavony tresaka
Fa toaka ihany no mifanaretsaka
Hanadinoana,
Hanamamoana
Fa manorisory
izaho efa oriory

Efa be loatra ny tsiambaratelo
Tao ny nahafaly, ny nampalahelo
Mifampizarana ambony ampanga
Ka very ilany vao mahatsiaro banga.

RAZAFINDRATSIMA Ndremahery Aix- 11/02/98

Hevitra mandeha

neo83 (16/05/2008 07:46:09)

Tsara le tononkalo ka. le mahasah mjoro amlé oe "voa aho ty" no tena mahatsara azy fa tsy le manao anlé maazatra be ireny. Tsara alou raha amiko e. maztou.

Hametraka hevitra

Midira aloha