You are here: home > Vetso

...NANOVA... - Joda Razakasoa

NANOVA

Tsy mety ho voafafa ao an'eritreritro ny endrikao lalaiko
ry zazavavy nandalo izay niserana,
raha vao tazako ny endrikao namiratra
dia tsy haiko fa namelana
ny voninkazo vao nitsimoka,
miainga izao ny ritsoka,
ritsoka mangina mameno ny ati-fo!
ritsoka mangina maniry antsika roa
hiombona iray,
eny ho mandrakizay!
tsy mety ho voafafa anaty ny tantarako
ilay ianao nandalo izay niserana,
raha vao tazako ny masonao toa volam-penomanana
dia tsy azoko noferana
ny feon'ny fitiavana nanako hatraiza hatraiza!
moa ianao mba aiza?
an-dakira sa...?
eny,misento ny fanahy...
fa mahatsiaro anao ry tovovavy fanaperana!
ianao ilay mpianatra vaovao
nantenaiko handrindra ny tantarako,
saingy...indray andro monja
no nandalovanao teto am-pianaranay,
dia iny ianao fa dify,
saingy mbola an-tsaiko ilay molotrao mitsiky,
kalokalo takariva
bitsibitsik'iva
no injao anilako eto
arahim-betsovetso,
fa manina anao
ry NANOVA mpianatra vaovao,
koa raha sendra voavakinao izao vetsoko izao
dia tiako ho fantatrao
fa tiako loatra ianao

Hevitra mandeha

03314 (11/11/2017 10:43:54)

saingy...tara kely aho!
tsisy intsony azoko atao!

JODA RAZAKASOA

io no tohiny

(nametraka tantara hoahy io tononkalo io)

Hametraka hevitra

Midira aloha