You are here: home > Vetso

HIRAN'NY LASANY - Joda Razakasoa

HIRAN'NY LASANY

Tsaroany ho marary any anaty fony any,
f'izay ilay hira nandravaka ny tantaranareo,
io fahatsiarovana io no mitamberina androany
io hira io no vetsoiny am-peo mitoreo,

ny aloky ny lasa no mamelovelo...
ny tantaranareo no mifantoka an-tsainy,
injao mipongatra indray ny avelo
avelon'ny lasa mampijaly ny ainy,

tadidiny ilay takariva teo amoron-drano,
izay niarahanareo nibanjina iry volana iry...
teo ny tara-bolana nanganohano
io no vavolombelon'ny dinam-pitia,

tadidiny ianao mitsena azy  eny am-pianarany,
ka miara-midola amin'iny lalana iny,
angamba tadidinao ny tarigetra sy filamatrany
hoe amin'ny olona rehetra,ianao no tena tiany,

tantara sisa ireny...

f'ianao nanadino no tsy nataho-tody,
ka saika hampisokatra ny vavan'ny fasany...
o! injay reny indray mitampody
hoe:"mahery ny hiran'ny lasany"

JODA RAZAKASOA
2017

Hametraka hevitra

Midira aloha