INY ZAZAVAVIN'NY ALINA INY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY ZAZAVAVIN'NY ALINA INY

Ekeny fa tsy sitraky ny fony
ny hanekeny anao ho namana
ato anaty alina mitony...

fa sombim-piadanana
izay tsy tiany akory
no manjary lolohaviny,
fa noho izy tsy mahasetra ny ankaso
dia indro ianao hankatoaviny,

fa ao anatiny ao?
fo maratra sy mijaly
te handao ny tany!

ny ety ivelany kosa?
vatana voaviravira sy marary,
ekeny ianao ho namany e,
fa ao anatiny ao mijaly...

fa noho izy...
nilaozan'iry tsy mataho-tody
dia...indro mitampody
sy miverina ao an-tsainy
ny pejin'ny lasa nankarary ny ainy,
ka iny alina mangina iny
no lasa sakaizany ankehitriny,

ka hanekeny tsy satry
ireo olona mpiliba sy mpanao ratry
amin'ny famiravirana ny vatany,
fa ao anatiny ao...
mitombo ny ratrany,

fa iny zazavin'ny alina iny,
aza omena tsiny
raha manao zavatra toy izao,
satria marary ny ao am-pony ao!

~~~~~} JODA RAZAKASOA (20 may 2017) 21:35
--------
Rohy:
1158 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101