IRENY SORATRA IRENY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IRENY SORATRA IRENY

Ireny soratra ireny...
ireny no entin'ny poeta
hiadina amin'ny tsy marina,
ireny sakaiza no poleta!
hitifirana ny mpitondra
mba ahafahany misaina sy miarina

ireny soratra ireny...
petan-drindrina miraikitra doria
eo anivom-piarahamonina,
mampiseho endrika fitia
ary te hamboraka amin'ny olona
fa...izao no tena marina,

ireny soratra ireny...
teraka mangina teo imolotry ny penina,
milaza zava-tsarotra mifono misitery,
mipoitra daholo na ny marina nafenina!
ireny no...mitady indray ny very
izay efa tsy tinazana intsony,

ireny soratra ireny...
mbola te hilaza ombieny
fa mahery hatrany ny teny

~~~~~} JODA RAZAKASOA (16 may 2017)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
786 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144