You are here: home > Vetso

Mba niaretako ihany ny fi - Joda Razakasoa

Mba niaretako ihany ny fijalianao!
mba niaretako ihany ny tolona natao!
Nefa mizotra mankaiza izao lalanao izao!?
Zary lasa saribakoly fanao kilalao
ilay tena fiandriananao,ilay fahafahanao!
Tsy hitako intsony izay azoko atao!?
Potika tanteraka ilay maha ianao anao!
Gasikarako oh! Inona no atao aminao!?
Raha te hilamina izao tany izao!
Inona no atao amin'ireo mpitondranao!?
Dia hiova amin'izay ao anatiny ao!?
Gasikara oh! lazao,teneno,ambarao!
Fa mila famonjena ireo vahoaka anao!

Joda Razakasoa

Hametraka hevitra

Midira aloha