MIANDRY FIVERENANA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIANDRY FIVERENANA

Raha mba teto mantsy ianao
ry voninkazo fanaperana
nanasitrana ny foko,
dia tsy ho toy izao
hoe tojo elanelana
ity lanitro toloko,

manjary lasa tsinana
ny diavolana baliaka
nilalaovan'ny fitia,
feno zava-manahirana
ny paradisan-tsika
fa nisampana ny dia...

ao an'eritreritro ao!?
fitodihana ny lasa
sy nenina hatrany,
izao tontolo izao
tsy mbola mikasa ny hamafa
ireo tsiky sy tomany,

...koa izao ny peniko
manoratra mangina
ity sombin-tononkalo ity,
ny takila izay nafeniko,
ho fenoiko soram-pijaliana
nohon'ny ratran'ny fitia,

fa ny foko hatramin'izao
mbola miandry fiverenana,
dia ny fiverenanao
ry voninkazo fanaperana,

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
1045 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108