MPANDRESY FOANA IANAO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPANDRESY FOANA IANAO

N(a)'inona n(a)'inona mianjady!
na tahakan'inona olana sy ady
izay miseho eo amin'ny fiainanao,
dia tsarovy fa mpandresy foana ianao,

fisedrana fotsiny io olana io,
fa izao ihany tadidio!
mpandresy foana ianao,
mpandresy amin'izay rehetra atao,

saingy n(a)'inona n(a)'inona miseho
na tsiky na toreo
dia tsarovy hatrany hatrany,
mpandresy foana ianao raha mbola eto an-tany,

ka...

n(a)'inona n(a)'inona mandalo,
dia aza avela himalo
ny rehetra anatinao,
tsarovy fa mpandresy foana ianao,

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
1287 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097