You are here: home > Vetso

RAHA SENDRA - Joda Razakasoa

Azo vakiana?

RAHA SENDRA

Raha sendra tomany ny foko mivetso,
ka mivadika mamirifiry ny volon'andro lohataona,
dia iangaviaka ianao,mba vimbino sy ento!
ireo karazam-panafody manafaka saona,

raha sendra ho maloka ny androko hoavy,
sy hamelovelo ny herin'ny ankaso,
dia iangaviako ianao,meteza mba hitady!
ireo karazam-panafody maharitra ranomaso,

raha sendra manadino ny tanindrazako
ity vatako malia izay mbola mijoro,
dia iangaviako ianao,aza ny razako!
no antsoina mba...hampirodana hikoro,

raha sendra aho lalovam-pahatsiarovana,
ka miondrika foana sy manainga vinany!
dia iangaviako ianao,ny foko torovana!?
mba hitadiavo karazam-panafody any hoany...

JODA RAZAKASOA

Hametraka hevitra

Midira aloha