RY ALINA... (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ALINA...

Ry alina o! ho tamy izao ianao!
fa ory sy tomany ny amiko tontolo,
fa manantena indray ilay fahanginanao
ity akany keliko efa bobongolo, mazàna mamelovelo
ny sento sy alahelo,

ry alina o! hoavy izao ianao!
fotsiny hoavy hitondra fitoniana,
fa ny ampitso...ao ambadika ao,
inoako fa mbola hitondra fijaliana,
eo amin'ny fiainana,
mampitombo fanaintainana,

ry alina o! hoavy izao ianao!
hoavy hampirongotra ireo fanahy ratsy,
fa kosa e,izao tontolo izao
aza avela ho lany vatsy,
fa reraky ny ady,
tsy afaka mitady,

ry alina o! ho tamy izao ianao!
fa ory sy tomany ny amiko tontolo,
ry alina o! mba miangavy anao,
aza intsony avela ho bobongolo
ny akany keliko,
fa kely sisa ny heriko,

~JODA RAZAKASOA~ sinoratra tamin'ny 02 jolay 2017 (17:23)
--------
Rohy:
976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108