SAINGY (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAINGY

Ry tovovavy teo anilako
izay nanaitra ny fijeriko!
angamba raha ianao no silako!
hoy ny eritreritro,
dia lafatra ny fiainako,

saingy fotsiny ianao nandalo
niserana tanaty fiara teo anilako,
ka injao aho...velovelon-tsiaro,
ny mamoy anao tsy vitako e,
nefa tsy renao akory ny tarainako,

lasanao daholo ny amiko rehetra,
eny,hatramin'ny ambiroako!
fa ao anatiko ao,nofy tsisy fetra!
indraindray ianao horohako,
horohako anaty nofy,

ry tovovavy teo akaikiko
izay nanaitra ny fitiavako,
lasa any aminao foana ny saiko,
angamba raha ianao no havako a?
dia foana ny farofy,


JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
861 1
Mpakafy: SederaMioty
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143