You are here: home > Vetso

SAROTRA FANTARINA - Joda Razakasoa

Je ne connais pas tous les secrets de ton coeur" CELINE DION

SAROTRA FANTARINA...

Fanontaniana maro no mibosesika ato an-tsaiko...
amin'izao fotoana izao,
Inona no ataoko fa tena mbola tsy aiko!?
ny miaina tsisy anao,

Sarotra fantarina ny miafina rehetra ao anatinao,
inona no antony!?
mbola baraingo amin'ny ao anatiko ao
ny dikan'ilay fo nakatony,

Sarotra fantarina ny fihetsikao rehetra nataonao teto anatrehako!
tena izy sa namboarina!?
Nanantena tokoa aho fa ianao ilay reharehako
kinanjo loza marina!

Mbola Sarotra amiko ny mamantatra ny antony nandaozanao ahy,
Be misitery ianao!
Tsy tanteraka akia ilay hoe hiombona fanahy...
satria ianao tojo randram-bao,

JODA RAZAKASOA

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha