SATRIA FIRENENA MANDROSO (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SATRIA FIRENENA MANDROSO

Ianao ry gasikara,ilay nosy tena mamiko!
ianao no tiako sy andrianiko

saingy...

ny kolontsain'ny vahiny no tena maminay,
ary niniana tsy hotsaroana ilay anao fahizay,
matetika rehefa mitia anao amin'ny fo manontolo
dia lazaina fa"olona tamin'ny taona enim-polo"
satria firenena mandroso,

raisina ny an'ny hafa dia ariana ny an'ny tena!
satria voalaza fa malagasy be fahendrena
dia mahay manaja sy mankatoa ary mankasitraka,
ny soatoavin'ny tena no indro misitaka e,
satria firenena mandroso,

avela hanjakan'ny sasany ny harena voajanahary,
ary raha misy malagasy iray marary
dia tsy avela mihinana tambavy intsony,
satria hono ireny avy amin'ny devoly,
satria firenena mandroso,

ianao ry gasikara,ilay nosy tena mamiko!
ianao no tiako sy andrianiko

saingy...

izany rehetra izany no mitranga sy miseho
SATRIA FIRENENA MANDROSO

JODA RAZAKASOA

21 jolay 2017
--------
Rohy:
991 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161