You are here: home > Vetso

SATRIA IANAO POETA! - Joda Razakasoa


SATRIA IANAO POETA!

Ianao ilay olona miavaka,
ianao ilay mitondra ambavaka
an-tsoratra hoan'ny tanindrazana,
ianao ilay manana finiavana,
satria...satria ianao poeta!

ianao ilay misolovava ny vahoaka,
ianao ilay miezaka mamoaka
ny vetsovetso ao anatinao,
sakaizam-penina isan'andro lava izao,
satria...satria ianao poeta!

lainga raha ianao misangy morona,
ianao ilay mitia mitolona
ho antoky ny tena fahafahana,
ianao ilay olom-pivavahana
satria...satria ianao poeta!

ianao ilay mitondra hetaheta,
ianao ilay manana talenta
miavaka amin'ny rehetra,
ianao ilay manana saina avo lenta,
satria...satria ianao poeta!

~~~~~~} JODA RAZAKASOA-AMBATOFOTSY-TRARAFARA-FIADANANA

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

SederaMioty (22/06/2017 20:48:23)

tsara be lay tonkl
ten ankafiziko (y)

romselsoon77 (26/06/2017 18:28:30)

tsr kus ahhh!!! satria...satria ianao poeta

03314 (27/06/2017 17:40:01)

satria poeta isika e,hihihi...mankasitraka anareo

Hametraka hevitra

Midira aloha