You are here: home > Vetso

SETRIN'NY DITRA - Joda Razakasoa

SETRIN'NY DITRA

Dada a!
iangaviako indrindra ianao,
raha toa ka sitrakao dia...
aza atao fantatr'i Neny,
fa ny setrin'ireny ditrako ireny
dia aty am-ponja...
minitra vitsy monja
no mba ahitako masoandro,
mangahazo no nahandro !
dia...mangatsiaka rehefa alina,
haizim-pito lalina
no mameno sy mitoetra,
halako avokoa ny zavatra rehetra!
manenina aho ry dada!
...ny zava-bitako omaly
toa mandatsa ahy androany,
raha sendra i neny manontany
hoe aiza ny zanany?
dada! ambarao amin'i neny
fa manohy ny ditrany ombieny
hoe ity zanakao...
sao mantsy harary ny ao am-pony ao
raha fantany fa...
manefa sazy ety am-ponja
ilay hany mba tokany,
nefa any andro iray!
tsy maintsy izao ho fantany
tsy maintsy ho tsampany
ny fijaliana tsy eo anilan-janany,
dada! izay aloha ny androany
fa veloma mampamangy an,
aleo ny tantara no hitsara!

~JODA RAZAKASOA~

Sokajy : Alahelo, fiainana

Hevitra mandeha

nambinelise (03/09/2017 05:50:33)

Milay le izy Joda sad mampisaisaina
Aleo mitraka ian ty e!

Hametraka hevitra

Midira aloha