TSY FANTATRO NY MARINA (Joda Razakasoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FANTATRO NY MARINA

Tsy fantatro ny marina
na ny embona sy hanina
no mamangy sasak'alina,

fa ao an'eritreritro ao,
misy alokao mandalo
indraindray toa mampatsiaro
ny tantara efa nisy,

amiko!
tsy fiteny ny indrisy rehefa tsy anjara,
fa n'iza n'iza mpifankatia,
n'iza n'iza miara-dia,
dia efa voarakitra an-tantara
ny fiainan'izy ireo,

koa ny zavatra niseho tamin-tsika roa,
inoako fa samy tsisy nanam-po
fa tsy iray lalana isika,
izay vita aloha dia vita e,

fa tsy fantatro ny marina
na ny embona sy hanina
no mamangy sasak'alina,

fa ao am-poko lalina
mbola mitempo ho anao,
ny ao an'eritreritro ao!
dia mivetso kalo toy izao,
hoe ianao no efa tiana...
saingy aleoko dia mangina,

JODA RAZAKASOA
--------
Rohy:
894 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109