Ho anao ry tiako (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manahy ianao ry tiako
Izay any an-tany lavitra any
Fa mbola aminao ny fitiavako
Izay mitombo sy mihatsara hatrany
_*_
Ireo sangisangy zay fanao
Sy ireo angolantsika roa
Tsy ho maty ao anatiko ao
Satria tsy manampaharoa
_*_
Ka ny elanelan-tany misz
Zay manasaraka antsika roa
Ataoko toy ny tsy misy
Fa vao maika mampitombo ny ampo
_*_
Ka aza manahy ianao ry tiako
Fa mbola anao hatrany hatrany
Ilay fitiavana ato anatiko
Dia ilay fitia tsy mety lany
--------
Rohy:
2234 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : Rdr_jr
Daty : 12/07/2017 15:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104