Lasa (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maty ilay poety
Zay nanoratra vetivety
Nandalo sy niserana dia zay
Lasa izy nody eo anilan'i Ray
_*_
Nampetrany ny mpeniny
Avy nanoratany ny teniny
Nanoratany hafatra vitsivitsy
Tena mampamangy hono fa indrisy
_*_
Manandanja ireo hafatrany
Mba rakofy tononkalo hono ny fasany
Ary ireo aingo amam-boninkazo
Kajio mba tsisy halazo
_*_
Ianareo namana mpanoratra
Asandrato ny asa soratra
Mionona ary aza kivy intsony
Fa hanampy anareo lay Ray ao ambony
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Alahelo - fiainana
1179 3
Hevitra mandeha
niyaridan06 ( 18/08/2017 12:45)
MAMPALAHELO ZANY
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : joseph bienvenu
Daty : 31/07/2017 19:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154