You are here: home > Vetso

Lasa aiza - Rdr_jr

Lasa aiza ilay fahendrena
Fa toa lasa zary mahonena
Ny kolon-tsaitsika malagasy
Tena simba sy feno tasy
Nankaiza ilay fahendrena
Fa toa hanjakan'ny vahiny
Ny kolon-tsaina amin'izao
Very ireo fomba amam-panao
Lasa aiza ireo fahendrena maro
Fa toa lasa fomban-dahalo
Ireo toetra mendrika famindra
Fa nahoana no nalefa hifindra
Nankaiza ilay fahendrena tena izy
Fa toa potika izay tsy izy
Ny toetra aman-kolontsaina
Mba dinoho ry olo-manantsaina

Hametraka hevitra

Midira aloha