Malalako fahiny (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsiaro sisa no manako
Sy mitoetra ato anatiko ato
Ry malalako fahiny tsy foiko
_*_
Tantara sisa no injao voavisavisa
Ny fiarahantsika sy ireo tsy voatanisa
Ry malalako fahiny any ho any
Tsy mampino ilay fitiavantsika t@ izany
_*_
Soratra sisa no mba tsiaro
Ilay fitiavantsika mifangaro
Ry malalako fahiny toa hafahafa
Tafasaraka nosoparan'olokafa
_*_
Tononkalo sisa no mba vetsoko
Hasoloko ireo halahelo sy toloko
Ry malalako fahiny tsy foiko
Ny anaranao no kaloiko
--------
Rohy:
1082 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : Rdr_jr
Daty : 12/07/2017 15:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107