Nanonofy (Rdr_jr)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanonofy anao aho alina
Nanonofy mafy sady lalina
Nanonofy fiainana lafatra
No feno fitiavana fatratra
_*_
Nanonofy ireo angola sy teny mamy
Ary ireo tsikinao tany ho any
Nanonofy anao nihorakaraka
Niantsampy sy niantoraka teo antratrako
_*_
Nanonofy ireo hantahatanao
Sy ireo angolanteninao
Nanofy ilay feonao malefaka
Rehefa iny isika roa miresaka
_*_
Nanonofy ny masonao mibanjina ahy
Ireo masonao nahababo fo sy fanahy
Nanonofy ireo sangintsika roa
Sy fiarahana lafatra tokoa
_*_
Ireo 'lay nofy mistery
Nahafahako nitafa sy nijery
Ary nandinika ny endrikao
Tao anaty alina mangina tao
--------
Rohy:
1688 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rdr_jr
Nampiditra : joseph bienvenu
Daty : 26/07/2017 11:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143