IZAY TIA ADALA (REGNANATSY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY TIA ADALA
Ny tsy tia dia efa mitia na dia mandray anao ho fahavalo
ny mieritreritra hitia dia efa mitia na dia faniriana mandalo
fa ny hendry mody tsy tia mangina satria mankahala
fa ny fo vendrana kosa midoboka satria izay tia adala

hifandray ho mpifahavalo dia ady tsy hahazahoana fandresena
ny fo mivadika amin'ny tiany dia fo kanosa n'inon'inona fanerena
ny efa zatra avonavona no mihevitra ny tenany ho mahalala
fa ny fo vendrana kosa mitsonika satria izay tia adala

izay tia adala, hadalain'ny fitiavana dia lasa adaladala
mazàna mandresy foana ny fo mitia na dia atao anjorom-bala
ny zatra tonga lafatra no tsy mahay mamela ny tsy manan-tsiny
fa ny fo adala tsy ho voa fefinao amin'ny izay mety ho faniriny
REGNANATSY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2201 2
Mpakafy: tohindraza - Regnatsy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : REGNANATSY
Nampiditra : Regnatsy
Daty : 24/11/2015 09:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133