ADINONY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADINONY

Nakopany ny elany
dia indro fa navelany,
nilaozany ito namany
narahiny ny akamany
Mantsy izy ary elatra
mamiratra, mitselatra
nisidina any ambony
ny fanahy sy ny fony
an’habaky ny poeta
tontolo avo lenta …

Adinony aho angamba
fa mbola mihambahamba
mbola mirefarefa
tsy manana traikefa
tsy maharaka ny diany
ka indro fa nariany…

Ry sakaiza tiako,
raha ny faniriako
ny hanara-dia anao
kanefa dia izao:
tsiaro sy tantara
hany sisa ambara…

Tsiky Arofanina – 01/10/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
1308 2
Mpakafy: jenahhilary - hjravs
Hevitra mandeha
jock ( 20/10/2015 09:29)
OK ! Tsara fa tohizo.
Arofanina ( 25/10/2015 08:08)
Misaotra nankafy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 01/10/2015 15:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0296