AOKA IZAY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AOKA IZAY

Aoka izay ny ranomaso
Tsiky indray no alefaso

Aoka izay ny saina lagy
Fa soloy ilay fo “swag”

Aoka izay ny lonilony
Miezaha indray ho tony

Aoka izay ny alahelo
Fifaliana asolo helo

Aoka izay ny hatezerana
Fifamelana aza ferana

Aoka izay ny fanahy ratsy
Ny raki-tsoa atao vatsy

Saina miiba re fadio
Dia ho tsara ny andro anio
Aoka izay! Aoka izay!
Misambara amin’izay!

RFE Andria – 01/07/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
981 1
Mpakafy: Herve2012
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 01/07/2015 09:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155