DIAM-PENINA (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIAM-PENINA

Aoka letsy tsy hafenina
Irony diam-penina
Fa hanasoana vahoaka
Mbola ambany fangejan’ny mpanambaka misafoaka
Eny, aoka harangaranga
Toy ny faneva entin’olo-manga
Ny asa soratsika
Fa aza avela hisy hipiaka
Koa avia ambarao
Eny avia, tantarao
Izany tolona ataon’ireo vahoaka hoe madinika
Izay mivoa-dinitra mifofotra, misasatra amin’ny asa
Nefa asa
Toa tsy izireo akory
No mijinja sy mamory
Izay mba vokatry ny asany
Fa ny sasany
Dia lazao ihany koa
Fa mbola misy ireo mpanao hitsin-dalana taloha
Mitady hambotry firenena
Toe-tsaina mahonena
Mpanao tantely afa-drakotra ny haren’I Gasikara
Tsy mba tara
Fa mihazakazaka handrotika
Ny vahoaka Malagasy
Izay toa mangasihasy
Mangetaheta ambony lakana
Fa voasakana
Tsy hianoka akory amin’ny hareny
Lova izay navelan’ireo razambeny
Ry sakaiza
Moa hankaiza
Ity ianao mirintona any?
Moa hanony ireo tomany
Sa hirintona fa leo?
Tsia! Sakaiza an, fa avia ka soraty eo noho eo
Ny zavatra izay hita sy iainantsika
Fa aza avela hisy tomika
Dia akorisao ny penina
Ka any aoriana ianao tsy hanenina

RFE Andria – 27/04/14
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1101 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 15/02/2015 19:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017